Mpiandry tsatokazon’ny BAREA

Ho mafy ny fiadiana toerana eo amin'i Nina sy Melvin


  • Alatsinainy 11 Desambra 2023

Raha tena mbola tsy mazava izay hanao lalao ara-pirahalahiana amin'ny Barea

ny volana janoary izao satria ao ny miteny hoe Maroc sy Mozambika ary indray no milaza fa Afrika Atsimo sy Zambia dia efa zavatra hafa mihintsy no ao an-dohan'ny mpanazatra Roro Rakotondrabe. Nasiana teny mantsy ny mkasika izay mety mpiandry tsatokazo ho tompon-toerana. Hihamafy hoy izy ny fiadiana ny toeranan'ny mpiandry tsatokazo rehefa tafaverina eo i Nina. Nolazainy ihany koa anefa fa tena tsara ny vitan'i Melvin tamin'ny lalao roa farany teo. Nanakana baolina efatra izy raha nihaona tamin'ny Ghana ary 20 minitra tsy hifaranan'ny lalao no matin'i Inaki Williams ny baolina izay nitondra fandresena ho an'i Ghana. I Nina koa anefa raha tafaverina eo dia tsy hanaiky mora ary hinoako hoy ihany Roro fa efa nanitsy ireo lesoka mpahazo azy ity mpiandry tsatokazo diso fantany loatra satria efa tao anatin'ny AS Adema izay nentiny ary naha tompondakan'i Madagasikara io ekipan'Ivato io. Tsara ho an'ny Barea hoy Roro ny fisian'ny fifaninana eo amin'ny mpilalao satria ho mora ny handahatra ireo 11 hiditra voalohany raha izay ny tie-tsaina entina miatrika lalao iray. Ary na tsy naneho hevitra mikasika ilay voalazan'i Njiva aza ity teknisiana ity dia hita taratra ihany fa tsy hisalasala hanala ireo tsy vonon-kiady. Na vazaha io na gasy. Ary izay no tena antoky ny fahombiazana.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT