Ankizy miisa 40 amin’ireo 100, folo hatramin’ny 15 taona noraisin’ny sekolin’ny Rugby hianatra ity taranja ara-panatanjahantena iray ity etsy amin’ny Stade de Cheminot Antanimena no novatsian’ny vondrona Star fitaovam-pianarana feno omaly, nahitana kitapo, trousse, kahie,
penina efatra loko, video projecteur, solaitra fotsy iray ary dabilio miisa 40. Ankizy avy amin’ireo faritra iva eny amin’ny manodidina ihany izy ireo, efa nanokan-tena nianatra sy nizatra rigby nandritra ny vakansy. Tontosa omaly ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny sekoly sy ny vondrona Star, izay haharitra telo taona. Tsiahivina fa vao tamin’ny volana jolay lasa teo no niorina ny sekoly. Antom-pisiany ny hitily an’ireo ankizy mahay Rugby eny anivon’ny fokontany, indrindra fa ny zazavavy izay fantatra fa tena vitsy an’isa tokoa. Mianatra any am-pianarana izy ireo ny maraina, mitohy amin’ny fianarana ny teny frantsay ao amin’ny Alliance Française ny hariva, arahin’ny fianarana ny Rugby ny hariva ihany mba hananan’izy ireo ho avy mamirapiratra. Maimaimpoana avokoa izany rehetra izany. Mbola hitohy mandritra ny roa taona ho avy moa izao famatsiana “Kits scolaire” tanterahin’ny vondrona Star ho azy ireo izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.