Sport

Mpc Fihezama Mbola miandry ny tapakila avy any La Réunion ny delegasionina


  • Zoma 28 Febroary 2020

Raha tokony efa nanainga ho atsy La Réunion omaly alakamisy 27 febroary 2020 ny delegasionina Malagasy avy amin’ny Mpc Fihezama ahitana

 

 

 

mpikatroka Pancrace 5 mirahalahy (Toly Be -90kg, Jacky sy Sitraka -61 kg, Mampionona -93 kg ary Jocelyn – 65 kg) sy mpikatroka K1 iray dia I Tiana -48kg hiatrika ny hetsika “Gala de l’Océan Indien” andiany faha-5 ho tontosaina any Ste Marie any amin’ity nosy ity rahampitso sabotsy 29 febroary, dia mbola miandry ny tapakila avy any amin-dry zareo Reonioney amin’ity zoma 28 febroary ity. Dokotera 1 sy Coach 1 no miaraka amin’izy ireo.  Marihana fa lafo dia lafo satria nahatratra 500.000 ar isan’olona no nikarakarana ny visas sy fiantohana “assurance” ho an’ireo mpikatroka Mpc Fihezama handeha ireo izay nitadiavan’ny mpikarakara lalam-bola manokana ny fanatanterahana azy, araka ny fanambarana nataon’i Me Ratolojanahary Jean Aimé azy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT