Mpanazatra vaovaon’ny Barea

Andrasana toa an’Ambatobevohoka


  • Alarobia 22 Janoary 2025

Efa ho 2 volana izao no ivon’ny adihevitra teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy

ny hoe iza ihany no ho mpanazatra vaovaon’ity ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara ity? Anarana tekinisianina vahiny maromaro no efa nandalo teo anivon’ny fampahalalam-baovao samihafa ary isan’ny sosokevitr’ireo tekinisianina mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo saingy nambara ho tsy tao anatin’ireo ho fantenina farany tampoka indray. Isan’ireo anarana voatonona matetika ny an’ireo franko-portogey Anthony Da Silva sy Corentin Da Silva. Itsy voalohany moa no tena sosonkevitr’ireo tekinisianina sy mpamakafaka samihafa. Isan’ireo nisy nitanisa teny koa ny anaran-dry Oumar Tchomogo sy Dragan Cvetkovic ary ilay tekinisianina frantsay nanazatra farany teo, Gilles Hugon. Hatramin’izao dia andrasana toa an’Ambatobevohoka tampoka nefa moa izay anarana mpanazatra vaovao izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT