Sport

Mpanazatra Rugby Malagasy miofana ho Niveau 3 Miatrika « Evaluation » nanomboka omaly


  • Talata 04 Febroary 2020

Miatrika fiofanana andiany faharoa antsoina hoe "évaluation niveau 3 des entraîneur Malagasy» etsy amin’ny Hotel Tamboho Ambatonakanga nanomboka

 

 

 omaly alatsinainy 03 febroary 2020 ireo  mpanazatra Malagasy 9 mianadahy tafavoaka tamin’ny fiofananana andiany voalohany notontosaina enim-bola lasa izay. Manampahaizana mirahalahy avy amin’ny IRB tarihan’ilay “Directeur du Rugby Africain Fancophone, Atoa Adama hotronon’ilay namany Olivier Maigne no mitarika ny fampiofanana an’ireo mpanazatra Malagasy ireto mba hampiakarana ny lanjan’ny mpanazatra sy ny klioba rugby Malagasy amin’ny ankapobeny. Omaly dia fifanakalozan-kevitra mivantana teo amin’ireo mpiofana sy mpampiofana mirahalahy no natao ary koa nanombanana ny “Carnet de Bord” nomena ho fenoin’izy ireo tamin’ny volona jona 2019 izay nambaran’Atoa Adama fa nahafa-po azy ireo ny vokatra azo tamin’ny ankapobeny. Anio talata 04 sy rahampitso 05 ary ny alakamisy 06 febroary izao dia ho jerena eny an-kianja ny fampiharana hataon’ireto mpiofana ireto amin’ny fitantanana ny ekipa niaviany tsirairay avy ka amin’ny zoma faha-07 febroary no hanatanterahana ny lanonam-pamaranana etsy amin’ny Hotel Tamboho Ambatonakanga hatrany. Marihana fa hanampy an’ireo mpanazatra manana ny grady niveau 3 mirahalahy eto amintsika dia Razily mpanazatran’ny Cosfa sy Mamy mpanazatran’ny Dakar fahiny lasa mapanazatran’ny Tfa ankehitriny izay mpanazatra tafavoaka amin’ity “Evaluation” ity. 



Razafed Zanany

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT