Sport

Mpanazatra ny Barea Sao dia tokony ho i Rôrô amin'izay


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Hiatrika in-droa miantaona an’i Centrafrique ny Barea zokiny ny volana martsa ho avy izao. Asa na mbola tena ao am-po ny Malagasy tsirairay ny zava-bita tany Alzeria

fa tena betsaka ireo mihevitra fa tokony ry Dax sy ny namany no ampiana Kely an'i Rayan Raveloson, Loïc Lapoussin ary Marco Ilaimaharitra ary Arnaud Randrianantenaina Dia vita sady tsy lany vola. Misy aza ireo olona no mandeha lavitra kokoa dia miteny hoe efa tokony mijanona amin'izay i Nicolas Dupuis fa tokony omena an'i Roro Rakotondrabe amin'izay ny toerana. Raha ny fanambaran'i Vazaha be mantsy, dia tsy hanova ireo mpilalao resin'ny Ghana izy afatsy Rakoul angamba izay tsy takona afenina ny zava-bitany Fa angaha moa i Rakoul irery no nahavita into dingana lehibe iny fa teo i Tsiry i Dax izay indroa voafidy mpilalao mendrika indrindra. Amin'ny saina tsy miangatra diaa efa tompo- toerana ry Berajo sy Nina eny fa Dia Lalaina sy Donga aza Test aleo tokoa vée ireto toto-tanana ireto toy Izzy mpilalao an'ny FC Fleury sy ireo any amin'ny fifaninanana ambany ? Manana DTN nivoaka tao anatin'ny baolina kitra isika dia i Rado Rasoanaivo izany fa mampanotany tena ihany hoe hatraiza ny fahefany amin'ireo mpilalao natolotry i Nicolas Dupuis. Sa ve raha maka ao amin'ny Elatr'i Betafo ny mpanazatra dia hoe avelao ho ao sao manahirana amin'i Clément Rabary? Tsy tokony izay no izy fa izay zatra milalao amin'ny sehatra avo ihany toy ireto zandry kely faran'ny ireto izay tsy mahamenatra ny vitany. Na ny fitondrana aza moa dia hanome azy ireo mari-mpankasitrahana anio eny Iavoloha. Midika izany fa tsara ny vitany.
Clément RABARY 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT