Sport

Mpanazatra ny Barea Andrasana ho tonga ny faran’ity herinandro ity


  • Talata 24 Aogositra 2021

Andrasana ny faran’ity herinandro ity ihany koa ny fahatongavan'ireo mpanazatra 4 mirahalahy hitarika ny Barean’i Madagasikara mialoha sy mandritry ny fiatrehana ny lalao hiadiana

 ny tapakilan’ny tompondaka eran-tany hatao any Qatar izay hisantaran’ny ekipam-pirenena Malagasy ny andro voalohany amin’ny fihaonana amin’i Benin etsy Mahamasina ny 2 septambra izao. Efa tomombana avokoa ny fandraisana sy fanomanana ireo lalao, indrindra fa io ho tontosaina etsy amin’ny Kianja Barea ny harivan'ny 2 septambra amin'ny 7 ora hariva io, hoy ny avy eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra. Tsy mbola nandrenesam-peo mikasika ny mety ho fiovana misy amin’r’ireo mpilalao nantsoiny moa ny mpanazatra voalohan’ny Barea, Eric Rabesandratana, hatreto. Ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny FMF hatrany kosa no nahafantarana fa tsy dia misy fiovana firy nihoatra ny teo aloha ireo mpilalao nantsoina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT