Sport

Mpanazatra mpanampy ao amin’ny Barea Miteraka adihevitra be


  • Alarobia 22 Mey 2019

Nigadona omaly teto Madagasikara ny mpanazatra voalohany ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara, Nicolas Dupuis.

 

 

 

Raha ny fandaharam-potoana moa ankoatra ny fampivondronana ireo mpilalao mialoha ny lalao fitsapana hihaonana amin’i Luxembourg ny 2 jona izao dia mety hifantina mpilalao avy eto an-toerana farany ihany koa ity mpanazatra ity. Ankoatra izay, miandrandra marimaritra iraisana mikasika izay mpanazatra faharoa hanampy ity teknisianina frantsay ity ireo mpitia kitra Malagasy. Tsy dia levon’ny vavonin’ireo mpankafy Barea ao anaty tambajotran-tserasera intsony ny mpanazatra ny Adema, Auguste Raux, anisan’ireo anarana mandeha amin’izao fotoana. Maro amin’ireo mpitsikera no milaza fa aleo ny efa ampy traikefa nahatonga antsika hiakatra CAN, toa an’i Maitre Rivo ohatra no hanampy ny mpanazatra. Misy koa anefa no manome anarana hafa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT