Sport

Mpanazatra Eric Rabesandratana “Tsisy fahombiazana azo ao anaty savorovoro”


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Nandefa hafatra sy fanentanana handravonana ny disadisa eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy ny mpanazatra ny Barean’I Madagasikara Eric Rabenandrasana omaly.

 Hita, hoy izy, ny zava-misy eo amin’ny ligy, ka miantso ny rehetra voakasika mba haneho porofo tena maneho fizorana any amin’ny soa ho an’ny kitra Malagasy. Raha tsiahivina dia nisy ny fanambarana ny 12 septambra teo nataon’ireo ligy, fa manome 07 andro ho an'ny komity mpanatanteraka eo anivon'ny FMF ireo filohan'ny ligy miisa 15, manoloana ireo olana maro mianjady amin'ity taranja ity, ka nangatahan'izy ireo ny hanatontosana fivoriam-be na "Assemblée Générale" ary hanoloran'ny FMF daty mazava hanatanterahana izany. Raha tsy misy ny fihainoan'ny FMF ny fangataha'ireo ligy ireo, vonona ny hiakatra amin'ny dingana manaraka izy ireo ka, handefa taratasy any amin'ny FIFA ho fanesorana ny filohan'ny FMF sy ireo komity mpanatanteraka. « Azontsika tsara ny fitakian’ny andaniny sy ny ankilany, kanefa ampahatsiahivina fa ny kitra Malagasy dia mila filaminana sy fitoniana mba ahatrarana ny tanjona izay apetraky ny Filohan’ny Federasionina Raoul Romain Rabekoto », hoy ny mpanazatra Eric Rabesandratana. Naneho fisaorana tamin’ny tohana rehetra nataon’ny FMF indrindra fa ny Filohany tamin’ny fitokisana natolotra azy ireo ity mpanazatra ity. Naneho izy fa mbola lava ny làlana, ary tsy mora mba ahafahana mampiaina indray ny fotoana nahafinaritra tany aloha. Ny fiaraha-mientana no ahafahana mahazo fahombiazana sy ho avy tsara kokoa, ary ny tombotsoan’ny kitra Malagasy no jerena, izay mitambatra vato izay misaraka fasika. Alefa barea ! », hoy io mpanazatra ny ekipam-pirenena io.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT