Sport

Mpanazatra Eric Rabe “Banga an’i Morel sy Marco isika, saingy ambony ny moraly”


  • Talata 31 Aogositra 2021

Nigadona teto an-tanindrazana omaly ireo andiany voalohany tamin’ny Mpilalaon’ny Barea notarihin’ny mpanazatra Eric Rabesandratana.

 Saika efa tonga ny ankamaroany, na mbola misy aza ny andrasana. Na mbola misy aza ireo mpilalao andrasana, dia nilaza kosa ny mpanazatra fa tsy ho isan’ireo ho avy hiatrika ireo lalao miisa roa hifanandrinana amin’I Bénin amin’ny alakamisy 2 septambra etsy Mahamasina sy any Dar Es Salaam hifandonana amin’ny Tanzanie ny talata 7 septambra ireo mpilalao roa izay isan’ny tena andrin’ny ekipam-pirenena, dia I Jeremy Morel izay vodilaharana sy Marco Ilaimaharitra izay tena manana ny toerany eo afovoan-kianja. Noho ny ratra mahazo azy ireo no antony, ka manaraka fitsaboana any Eoropa izy ireo ankehitriny. Tena fahabangana be ny tsy fahafahan’izy mirahalahy, hoy ny mpanazatra Eric Rabesandrantana, saingy nambarany ihany koa fa mametraka fanantenana feno sy mahatoky ny mpilalao tonga ny tenany. Isan’ireo mpilalao mbola tsy tonga I Romain Métanire, Rayan Raveloson, Fabrice, Dax, Bapasy, Mamy Gérvais, Carolus,… izay irariana mba ho tonga avokoa na mety misy aza ny olana toy ny fitaterana. Efa eto kosa ry Melvin, Mathyas, Fontaine, Caloin, Sylvio Oaussiero, Mombiris, Lapoussin, Anicet, Dafé, Bastien, Zotsara, Paulin, Hakim, Ramalingom, Njiva, miampy an’ireo mpilalao avy eto an-toerana dia ry Tsiry, Tsito, El Hadary, Lalaina, Nina,… Etsy amin’ny Hotel Ibis Ankorondrano moa no mivondrona sy mipetraka amin’izao fiatrehany ny lalao voalohany amin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” any Qatar izao. Omaly tolakandro dia efa nanao fanazaran-tena sy ny nitsapa kianja tetsy Mahamasina ny Barea, ary ry zalahy ireo no nisantatra voalohany ny bozaka vaovao taorian’ny fahavitany.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT