Sport

Mpanazatra baolina kitra Malagasy Mifamadibadi-toerana ohatra ny mpanao politika


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Manomboka indray ity ny taom-pilalaovana 2018 manerana ny ligim-paritry ny baolina kitra eto Madagasikara. Fantatra fa be ireo mpilalao nifindra lasy amin’ny ekipa hafa noho ny nilalaovany teo aloha.

Tsy vitsy koa ireo mpanazatra no mifamadibadi-toerana amin’ny fitantanana an’ireo ekipa malaza eto amintsika moa va tsy mivadibadika palitao toy ny mpanao politika ihany koa noho ny antony samihafa. Ho an’ireo mpanazatra ny klioba eto Analamanga fotsiny izao dia fantatra fa niverina nanazatra ny ekipan’ny Cosfa indray i Lalaina rehefa avy nanazatra ny ekipan’ny Jet Mada tamin’ny taon-dasa. Cosfa izay nanao ady sahala 2-2 tamin’ny ekipan’ny Uscafoot lasa notantanan’i Me Auguste Raux (efa tao amin’ny As Adema sy tao amin’ny Elgeco Plus) tamin’ny andro voalohan’ny ligy 1 eto Analamanga tamin’ny alahady teo.  I Hery Be mpanazatra ny  Cnaps Sport teo aloha dia lasa nifindra ao amin’ny Elgeco Plus indray. I Careca tao amin’ity ekipa ity indray tamin’ny taon-dasa dia lasan’ny Jet Mada amin’izao taom-pilalaovana vaovao izao. Ny Elgeco Plus nanao ady sahala 1-1 tamin’ny Tanà Formation tamin’ny alahady teo. Ny Cnaps Analamanga dia tantanan’i Jéremie Cosfa taloha. I Me Franck dia lasa nanazatra ny ekipa tanoran’ny Fosa Juniors nisolo an-dRado Rasoanaivo niakatra ho mpanazatra mpanampin’ny Fosa Juniors Mahajanga. Raniry moa dia efa lasan’ny As Adema hatramin’ny taon-dasa iny ary i Titi Rasoanaivo dia heno fa mety hiverina any amin’ny Fosa Juniors indray.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT