Mpanazatra an’i Laura Rasoanaivo

Saika tsy delegasionina raha tsy nisy fitsaram-bahoaka tanaty Facebook


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Tamin’ny alahelo no nandraisan’i Laura Rasoanaivo, tovovavy mpikatroka taranja judo malagasy

handray anjara amin'ny lalao olaimpika hatao any Parisy, Frantsa, fa tsy isan'ny delegasionina hanaraka azy any ny mpanazatra azy, Mamy Randriamasinoro, ny marainan’ny sabotsy teo, tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook-ny. Ny mpanazatra, hoy izy, no fitaratry ny atleta. Izy no manatontosa ny 50%n’ny asa. Izy no miady mba hahatanteraka ny nofinofin’ny atleta. Hatramin’ny taona 2022, no nanomboka nametraka ny fitokisany tamiko ny Maitre Mamy. Nanaraka ahy akaiky izy. Tsy nisy ireny vokatra tsara ireny sy izao fahazoana ny tapakila hanao olaimpika izao raha tsy teo izy. Fantany tsara ny judo ataoko. Fantany ny filàko fifaninanana, ny stratejiako, ny maha izy ahy mihoatran’ny rehetra. Ankona aho naheno fa tsy isan’ny delegasionina hiaraka amiko any amin’ny lalao olaimpika na J.O 2024 izy taorian’izay ezaka goavana niarahanay nandritry ny 2 taona izay. Nilatsaka 50% ny nofinofy. Te hanao antso fotsiny aho ilazana fa tsy rariny fanimbana nofinofina atleta izao. Nampiatoana ny fianarana. Natao sorona ny hatanorana mba tsy hahavery dia rehefa tonga ny tena fifaninanana. Nanomboka niady irery aho. Mbola miady hatrany hatrany aho mandrak’androany ho an’ny mpanazatra ahy izay tsy afaka hiaradia amiko nefa koa hanaporofoko fa vehivavy tsy milavo lefona aho na eo aza ny sotasota mihatra mialohan’ny nofinofy lehibe ho ahy, hoy hatrany ny tenany nankasitraka feno ity mpanazatrany ity. Ora vitsy taty aorian’izay fitarainan’ity atleta malagasy ity izay ihany moa, toy ny mahazatra, rehefa niharan’ny fitsaram-bahoakan’ny tambazotran-tserasera Facebook ny tomponandraikitra, dia nampahafantatra indray ity atleta ity fa namela ny mpanazatra azy andeha any Paris ihany ny tomponandraikitra. Tsy maintsy miandry fampanenoina lakolosy toy izany foana ve izany vao mahalala ny tokony ataony nefa voninahim-pirenena no harovana any an-tanin’olona any? Amin’io, fifaninanana iraisampirenena isan’ny goavana indrindra maneran-tany izany lalao olaimpika izany, ary tena efa fifaninanana, fa tsy hoe naman’ny fanomanan-tena akory na lalao fitsapana. Saika tsy delegasionina raha tsy nisy fitsaram-bahoaka tao anaty Facebook izany ny mpanazatra an’i Laura Rasoanaivo, sao dia ny atleta mihitsy koa no efa saika tsy nalefa, hoy ny fanontanian’ny mpanara-baovao?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT