Sport

Mpanao rugby tanora teny Andohatapenaka Niova ho filaharana fanairana ilay Diabe


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Noho ny faneken’ny ministeran’ny tanora tamin’ny ora farany hiresaka amin’ny FTMRAT “Fikambanan’ny Tanora Mpanao Rugby eny Ambany Tanàna” amin’io herinandro hitsidika io, hoy i Naina Be « Rakotondrafara Jean Heriniaina »

filohany, dia novana ho filaharana fanairana fotsiny ihany tety amin’ny kianja Makis tety Andohatapenaka ilay Diabe nokasainay ho tanterahina anio sabotsy 10 aogositra 2018. Na ho inona anefa vokatry ny firesahana eo na ho inona dia tsy hijanona intsony ity tolona ataonay ity amin’ny fangatahana ny fialan’ny filohan’ny Federasiona am-perinasa, Rakotomalala Marcel, izao dia izao. Fanombohana ihany izany ity nataon’ny taninketsa androany tety Andohatapenaka ity. Nambaran’i Nainabe ombieny ombieny teny Andohatapenaka fa MARARY NY RUGBY MALAGASY (Tsy misitraka ara-dalàna ny filalaovana ao amin’ny kianjan’ny Makis ny tanora mpanao rugbu, ampandoavina vola toy ny rehetra ireo nahavita be teo amin’ity sehatra ity miditra ao amin’ity kianja ity, zarazaina ireo fileovana mpanao an’ity taranja ity sns…). Tsy miady izany ny tontolon’ny Rugby Malagasy, hoy izy, fa ireo mpitantana no tsy mifankahazo.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT