Sport

Mpanao Judo Malagasy Manohana hatrany ny fampiroboroboana izany ny Airtel


  • Alarobia 06 Martsa 2019

Anisan’ny fanatanjahantena iray hahafahana mitaiza vatana ny fanaovana Judo. Tsy hanavahana izany na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy, antony nanosika ny orinasam-pifandraisana Airtel hanohana azy ireo.

 

 

 

 

 Ny fanamafisana hatrany sy fanatsarana ny fitsipi-pifehezana no natao tamin’izany raha eo ihany koa toe-tsaina hiatrehana izany hahafahana mandrindra ny fiarahamonina. Raha tsiahivina, notanterahina ny 23 febroary lasa teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanana andiany fahefatra ho an’ny sokajy efa lehibe mpankafy ity taranja ara-panatanjahantena judo ity. Miisa 17 ireo klioba nandray anjara tamin’izany nahitana mpanao judo 96 isa. Ny 25 tamin’ireo no vehivavy raha lehilahy ny ambiny. Betsaka tamin’ireo mpijery no liana tampoka tamin’ity taranja ara-panatanjahantena iray ity, indrindra amin’ny fanomanana ny fiatrehana ny jeux olympiques hotanterahina any Tokyo amin’ny taona 2020, antony tena nanosika ny Airtel hanohana azy ireo.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT