Sport

Mpanao gazety Afrikanina “Teti-dratsin’ny Fifa ny famotehana an’i Ahmad”


  • Alarobia 25 Novambra 2020

Vaovao mbola mitana ny sain’ny maro tsy eto Madagasikara ihany, fa saika

 maneran-tany ny nampiatoan’ny FIFA ny an’i Ahmad Filohan’ny CAF tsy afaka hisehatra amin’ny tontolon’ny baolina kitra mandritra ny 5 taona, ary mandoa onitra 185 000 euros. Mbola manana zo hampiakatra ny raharaha any amin’ny TAS (Tribunal Arbitral du Sport) i Ahmad ao anatin’ny 60 andro, ka fantatra omaly, fa manao io fampiakarana io izy. Taorian’ilay mpanao gazety Ivorianina Mamadou Gaye izay naneho hoe:“Manao tsinontsinona ny Filoha Ahmad sady manompa ny Kaontinanta Afrikanina ho mpanao kolikoly i Gianni Infantino Filohan’ny Fifa sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fifa Fatma Samoura”. Nilaza ihany koa ny mpanao gazety ara-panatanjahantena Camerounais Martin Camus Mimb fa kajy maloto ity sazy mahazo an’i Ahmad ity, ary nambarany fa ny Sekretera Jeneralin’ny Fifa Rtoa Fatma Samoura izay teratany sénégalaise no ao ambadik’io. Ny 01 febroary 2020 nandritra ny seminera tany Rabat Maraoka dia nandefa taratasy amin’ny tokony hanovana ny CAN ho isaky ny 4 taona ny FIFA, eo ihany koa ny hanaovana fifaninana Panafrikanina ho an’ny Klioba. Firenena Afrikanina maro no naneho ny tsy fankasitrahana an’io, izay voalaza fa isan’ny tsy mahafaly ny FIFA. Nanao fanambarana hanohana an’i Ahmad ny Federasionina 46 amin’ny 54. Na eo aza ireo raharaha maro nanenjehana azy, teboka tsara ho azy ny fampiakarana ho 24 ny mpandray anjara amin’ny CAN raha 16 teo aloha, ka io no isan’ny nahatafiakatra ny Barea tamin’ny CAN farany teo, ny fampiakarana ny anjara vola fanampiana ho an’ny Federasionina aty Afrika, ny fampiasana ny VAR,… Mialohan’ny fifidianana Filohan’ny CAF anefa ny nirotsaka ny didy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT