Sport

Motostore show” Hetsika vaovao ho an’ireo mpankafy moto


  • Alarobia 19 Jona 2019

Sambany no hotanterahina eto amintsika ilay hetsika lehibe “Motostore show” andiany voalohany, karakarain’ny orinasa Motostore sy ny Festiv.

 

 

 

 Ny 29 sy ny 30 jona ho avy izao no hanatanterahana azy io eny amin’ny CC I Ivato izay manana tanjona hamondrona ireo mpankafy moto sy liana te hahalala misimisy kokoa momba azy. Anisan’ny hanatrika ny fikambanana The litas, hivondronan’ireo vehivavy mpankafy môtô, ireo vehivavy rehetra liana amin’ity karazana fanatanjahantena iray mendrika fialamboly ity. Marihina moa fa hisy  ny fifaninanana “Tanamaniacs” handraisan’ireo mpitondra môtô miisa 150 anjara ka handalovan’izy ireo sedra maro samihafa toy ny fitsambikinana ambony ambany, ny fiakarana amin’ny hazo … Ny alahady 30 jona kosa andro famaranana dia hisy ny “parade” hiainga eny Mahamasina ka mpitondra môtô manodidina ny 150  no hitety faritra maro eto an-drenivohitra toy ny eny 67 Ha … Na izany aza, tsy hisy ny fanapahana lalana, hoy ireo mpikarakara.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT