Lasan’i Tida koa i Mahajanga taorian’i Toamasina. Natao tany amin’ny renivohitr’i Boeny, tao amin’ny tanŕnan’Ampahazony ny alahady teo ny « X Country KTM » izay dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara.
Nisy dingana telo naharitra 45 minitra avy ity fifaninanana ity. Fandresena fanindroany ho an’i Claudio Tida nanamory Kawasaki KXF-250 io taorian’ny efa nandrombahany ny « East Cross Kawasak » natao tany Toamasina ny volana aprily teo. I Claudio Tida moa dia efa in-telo tompondakan’i Madagasikara (2012, 2014, 2015). Lah-1 izany i Claudio Tida izay nahazo isa 75, lah-2 i Ranty Ernest vao 14 taona ary manamory Husqvarna TC-125 manana isa 66, lah-3 kosa Rakotomanga Tsiresy manana isa 58. Tafiditra lah-4 i Eric Karon nitondra Sherco SEFR-300 manana isa 49 ary lah-5 Rasoavatsara Aymeric manana isa 48 izay efa sahirankirana ihany tany am-piandohan’ny fifaninana nefa mbola tafiditra top-5.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.