Sport

Moraingy nofoanana tao Toamasina “Aleo misoroka, toy izay mitsabo”


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Nofoanana avokoa tahaka ny tany amin’ny faritra rehetra manerana ny Nosy ireo hetsika famoriam-bahoka saika notanterahina teto an-tananan’i Toamasina

 

 

tamin’iny faran’ny herinandro iny toy ny moraingy sy fampisehoana ara-javakanto saika notanterahina omaly alahady tao amin’ny kianja monisipalin’i Toamasina, hoy Atoa Herinjatovo Andry Marcel filohan’ny ligim-paritry ny baolina kitra any Atsinananana, tafaresaka fohy tamin’ny gazety Tia Tanindrazana. Noho ny fankafizan’i Toamasina lanonana dia tsapa ho nalahelohelo kely izany daholo ny olona tamin’ny ankapobeny, hoy izy, tamin’ity fanafoanana tampomtampoka ity nefa samy nahatsapa avokoa noho ny avy eo fa tena henjana be ity valan’aretina coronavirus mieli-patrana eran-tany ity ary efa tonga eto Madagasikara ankehitriny ka aleo mitandrina tsara ihany fa fety marobe no mbola azo harahina aoriana kely ao.

 

Ntsoavina Evariste

 



Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT