MOOR1NG 2024 - Tekken World Tour

Ekipa Malagasy miisa 3 nivoaka ho mpandresy


  • Zoma 16 Aogositra 2024

Sambany ny mpilalao malagasy no nandray anjara tamin’ny Tekken World Tour tamin’ny alalan’ny MOOR1NG

andiany voalohany. Notanterahina ny 9 hatramin’ny 11 aogositra teo tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina ny hetsika. Notolorana valisoa afak’omaly Alarobia 14 Aogositra tao amin'ny foiben'ny STAR nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo mpandray anjara nasionaly mendrika indrindra.Ny hetsika MOOR1NG na Moraingy Tekken World Tour raha tsiahivina dia hetsika fifaninana nampivondronana ireo mpilalao nasionaly. Ny tanjona ho an'ny mpandray anjara tsirairay dia ny hanangona isa betsaka indrindra sy hiakatra mba handraisana anjara amin'ny fifaninanana iraisam-pirenena. Mpandray anjara maherin’ny 200 no nisoratra anarana ary anisan’izany ireo mpilalao iraisam-pirenena avy any Arabia Saodita, Pakistan, Etazonia ary Frantsa. Fotoana iray ihany koa ho an'ny mpankafy lalao video mba hihanoka indray anatin’ny tontolon'ny lalao video nahafahan’izy ireo nanaraka na nandray anjara tamin’ny fifaninanana natokana ho an'ny mpilalao vehivavy, lalao ady ary ny fampisehoana cosplay mahazatra. Ny zoma 09 aogositra teo dia nisy ihany koa ny valan-dresaka niresahana ny tontolon’ny lalao video nitondra ny lohahevitra hoe : “Fahafahana ho an’ny lalao e-sport sy lalao video eto Madagasikara”. Manome fotoana sahady ho an’ireo mpankafy lalao video rehetra ireo mpikarakara amin’ny andiany faharoa amin’ny taona ho avy.Maro ireo mpanohana nanampy tamin’ny fanantontosàna ity andiany voalohany ity niaraka tamin’ny Tekken Madagascar ary anisan’izany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Orange Madagascar, ny Equinox, ny Cool Concept Events ary ny Gascom.Amin'ny maha mpanohana ofisialin'ny hetsika, ny marika XXL dia mitondra ny anjara birikiny ho an’ny tontolon'ny lalao video sy ny e-sport, marika izay mizara ny soa toavin'ny fankafizàna milalao, ny toe-tsaina tia fifaninanana sy tia mizara izy ireo.
Pati
Legende : Izy telo mianadahy nivoaka ho mpandresy niaraka tamin’ny loka natolotra azy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT