Montsan’i Madagasikara 4-1 i

Centrafique Miakatra ny tokin’aina hanao « Mondial 2026 »


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Nahazo aina kely indray aloha ny baolina kitra Malagasy noho ny vokatra tsara azon’ny Barea A

omaly teo amin’ny andro faha-5 ho an’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny « Mondial 2026 » ho an’ny Vondrona I. Nandresy mazava 4-1 an’i Centrafrique ny Malagasy tany amin’ny Kianjan’i Larbi Zaoili Maroc na ny Centrafricaine aza no nanakobana voalohany ny harato vao teo amin’ny minitra faha-8, rehefa nisy « coup franc » voatsaingoky ny vodilaharan’ny mpifanandrina rehefa nanantena « hors-jeu de position » isika Malagasy. Nisesy kosa ny baolina ho antsika nampidirin’i Rayan Raveloson kapitenin’ny Barea teo amin’ny minitra faha-17 rehefa nisy fanafihana nentin’i Arnaud, nandalo an’i Waren Caddy, ary nofaranan’i Ray. Mbola nokobanin’i Rayan fanindroany ny harato teo amin’ny minitra faha-21 rehefa nanao famoaham-baolina ny mpiandry harato, ka azon’i Warren Caddy, nalatsany ka notatazan’i Rayan tamin’ny lohany. Nampian’i Arnaud iray teo amin’ny minitra faha-48, rehefa nisy ny tolotra tsara dia tsara narotsaky Loic Lapoussin avy any ankavian’ny kianja. Tsapa sy tsikaritra tamin’ity lalao ity ny fahavononana sy ny fifehezan’ny Barea tanteraka ny lalao satria nanindry hatramin’ny farany ny Barea, nirindra ny fiarahana na ny fiarovana na ny fanafihana, ary betsaka ireo baolina saika tafiditra, saingy nanam-bitana ny mpiandry haraton’ny mpifanandrina. Porofon’izany ny mbola nahafantsika namono baolina tany amin’ny minitra faha-89 fotoana fohy tamin’ny alalan’ny baolina nampidirin’i Lalaina na Jaina rehefa nisy fanafihana notarhin’i Njiva, na dia tany amin’ny faha-80 minitra aza vao nampidirina ry zalahy ireo. Nahomby ny paikady nentin’ny mpanazatra Corentin Martines tao anatin’ny lalao voalohany ho azy, ka isan’ny nisongadina ny fanomezana fitokisana avy hatrany ireo mpilalao isan’ny vao sambany vao nijoro, toa an’i Marcellin Jean Harrisson mpilalaon’ny FC Beitar Jérusalem divizionina voalohany any Israel, izay tena rindrim-be, tony tanteraka,... Sambany nijoro ihany koa ny mpiandry harato Jordan Dupure. Nisongadina hatrany i Clément Couturier izay tena nahavita niaro sy nandrava fanafihana Centrafricaine no nanosika sy nanampy ny mpanafika Malagasy. Tahaka izany ihany koa ny fahaiza-miaraka teo amin’ireo mpanafika nahitana an-dry Warren Caddy sy Arnaud, Rayan. Hita ho tafiditra i Yves Tomy tamin’ny fanafihana na efa taty amin’ny fotoana faramparany aza vao nampidirina,… Irariana ny hitohizan’ny fahombiazana ! Laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny Vondrona I ny Barea manana isa 10 mialohan’ny lalaon’i Comores sy Mali sy ny an’i Ghana sy Tchad, raha manana isa 9 avy hatreto i Ghana sy Comores izay samy mbola tara lalao iray avy mitaha amintsika.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT