Sport

Montsan’i Antilope 4-0 ny Barea Miha sarotra ny hiakarana CAN 2022


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Montsan’ny Antilope Etiopianina tamin’ny isa mavesatra 4-0 ny Barean’i Madagasikara omaly tao amin’ny Kianjan’i Bahir Dar any Ethiopie,

 

 

 teo amin’ny andro faha-5 amin’ny fifanintsanana hiakarana any amin’ny CAN 2022 hatao any Kameronina. Isika Malagasy no saika nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-6 tamin’ny alalan’i Voavy Paulin, saingy mbola nisy zanaharim-baolina nanavotra ny mpiandro harato Etiopianina. Nanjakan’izy ireo ny lalao avy eo, ka teo amin’ny minitra faha-19 tamin’ny alalan’i Gebremichael, nampian’i Gataneh Kebede kapitin’ny Antilopes tamin’ny alalan’ny « coup francs » tsara petraka teo amin’ny minitra faha-34, ary namarana ny baolina maty ho an’ny fidirana voalohany i Aboubakar Nassir teo amin’ny minitra faha-41, tamin’ny alalan’ny valim-panafihana tsara rindra. Hita ho nisy lesoka be tao afovoan-kianja. Na somary niova aza ny endri-dalaon’ny Barea tamin’ny fizaram-potoana faharoa, ka isan’ny nanao izay ho afany i Metanire tamin’ny fitondrana fanafihana avy any amin’ny sisiny havanana, dia tsy afaka nampihena ny elanelan’isa ny Barea. Mbola ry zareo Etiopianina no nampiditra baolina tany amin’ny minitra faha-85. Maro ny lesoka ho antsika nanomboka tany amin’ny olana samihafa nandritra ny famondronana, raha toa ka efa 4 volana no niomana sy namondrona ny mpilalaony tsy misy mpila ravinahitra afatsy iray ny Etiopianina. Nahavita lalao ara-pirahalahiana toy ny tamin’I Malawi, izay nandresen’izy ireo 4-0.

 HIFAMPIANKINA NY LALAO AMIN’NY ANDRO FARANY

Hatreto, mitana ny laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny Vondrona K i Ethiopie izay manana isa 9, faharoa i Côte d’Ivoire manana isa 7, fahatelo isika manana isa 7, ary faha-4 I Niger. Miankina betsaka amin’ny lalaon’i Niger sy Côte d’Ivoire rahampitso 26 martsa sy ny an’i Côte d’Ivoire sy Ethiopie amin’ny 30 martsa ny ho avin’I Madagasikara. Tsy maintsy mandresy an’i Niger isika ny 30 martsa, raha te hanana herijika. Ny tsara indrindra amintsika, dia resin’i Niger i Côte d’Ivoire , ary mandresy an’i Ethiopie ny Ivorianina, fa mila mandresy an’i Niger kosa isika. Raha izay no fipetrany, dia hanana isa 10 avy i Madagasikara sy Côte d’Ivoire, 9 Ethiopie, 6 Niger. Raha maharesy an’i Niger i Côte d’Ivoire rahampitso, dia manana isa 10 ary naman’ny tafiakatra, ka tsy mety dia hiraharaha firy ny fifanandrinana amin’I Ethiopie. Ny ratsy indrindra ho antsika dia ny fandresen’i Ethiopie an’i Côte d’Ivoire, kanefa i Côte d’Ivoire mandresy an’i Niger. Raha izay no fipetrany hanana isa 12 i Ethiopie, samy hanana isa 10 isika sy ny Ivorianina, saingy manatombo izy noho ny fandreseny antsika tamin’ny lalao mivantana na ny “Confrontation directe”. Na ho inona na ho inona voka-dalaon’i Niger sy Côte d’Ivoire ka mandresy an’i Ethiopie ny Ivorianina, ary resintsika i Niger dia tafiakatra foana isika satria tsy hiova amin’ny isa 9 ny an’i Ethiopie, ary miakatra 10 isika. Mirary soa ny Barea hatrany, ary inoana fa ahafahana manatsoaka lesona sy hanarenana ny tsy mety ny tsy fahombiazana omaly.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT