Sport

Mondial vehivavy 2019 Mbola nahery indray ny Stars and Stripes Amerikanina


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Norombahin’ny Stars and Stripes Amerikanina ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra vehivavy eran-tany 2019 notontosaina tany Frantsa.

 

 

Resiny tamin’ny isa 2-0 omaly alahady 07 jolay 2019, teo amin’ny lalao famaranana natao tao  amin’ny “stade de France”, ny ekipam-pirenena vehivavin’i Pays-Bas.  Faninefany izao tao anatin’ny andiany 8 tamin’ity fifaninanana ity no nibatan’ny vehivavy Amerikanina an’ity amboara eran-tany ity. Ny baolina matin’i Megan Rapinoe teo amin’ny minitra faha-61 sy matin’i Rose Lavelle teo amin’ny faha-69   minitra no niantoka an’izany fahombiazan’ny Amerikanina izany. Voahosotra ho mpilalao mendriky ny lalao famaranana sady mbola voahosotra ho mpilalao mendriky ny fifaninanana manontolo ilay kapitenin’ny Stars and Stripes, Megan Rapince . Nahazo ny Gant d’or –n’ny fifaninanana kosa ilay mpiandry haraton-dry zareo Néerlandaise, Sari van Veenendaal.  Natolotra an’ilay Allemande Giulia Gwinn kosa ny loka “Jeune Joueuse de la FIFA”. Ny ekipa telosoratra vehivavy Frantsay kosa no nahazo ny amboaran’ny Fair-play tamin’ity fifaninanana ity. Ny ekipan’i Suède vehivavy kosa no nitana ny laharana faha-3 rehefa nandresy an’i Angleterre 2-1 teo amin’ny lalao fiadian-toerana tamin’ny sabotsy 06 jolay 2019  teo.

Adiny roa taorian’ny fiafaran’ny lalao dia nandefasan’ny filoha Amerikana Donald Trump fiarahabana tao amin’ny “compte Twitter”-ny mpilalao baolina kitra vehivavy Amerikanina.”Mankasitraka anareo i Amerika manontolo, hoy izy.

 

Ntsoavina Evariste

Ny  Stars and  Stripes Amerikanina omaly tany Frantsa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT