Sport

Mondial Russie 2018 Tompondaka eran-tany fanindroany ny Frantsay


  • Alatsinainy 16 Jolay 2018

Nifarana omaly alahady 15 jolay 2018 tao amin’ny kianja Loujniki any Moscou ny andiany faha-21 amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra.

Voahosotra ho tompondaka eran-tany fanindroany i France rehefa nandresy 4-2 an’i Croatie teo amin’ny lalao famaranana. Fanintelony nanaovan’i France lalao famaranana Mondial ity nihaonany tamin’i Croatie omaly alahady 15 jolay 2018 ity. Tamin’ny 1998 izy no nihaona tamin’i Brésil ka nivoaka mpandresy, tamin’ny taona 2006 no nanaovany famaranana faharoa ka resin’i Italie izy.  In-6 nandresy i France nandritra an’ity Mondial tany Rosia ity ary nanao ady sahala indray mandeha.

Fanindroany nandraisan’i Deschamps an’ity  amboara eran-tany ity izao saingy tamin’ity 2018 ity dia amin’ny maha mpanazatra azy fa i Hugo Lloris no tena nandray voalohany ny amboara omaly alahady.

Norohan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin’ny lohany i Mbappé.

Hafana ny fandraisany an’ireto tompondaka ireto anio alatsinainy 16 jolay ao amin’ny lapan’i Elysée mialoha ny handraisan’ny vahoaka Frantsay azy ireo eo amin’ny “avenue Champs Elysée” mialoha izay.

 

Mondial 2018 indray mijery

Baolina niisa 169 no tafiditra tamin’ireo lalao  64 natrehina tamin’ity Mondial 2018 ity ka i Harry Kane kapitenin’i Angleterre no voahosotra ho mpampidi-baolina be indrindra (6) ka notolorana ny “soulier d’or”.

Voahosotra ho mpiandry harato mendrika indrindra kosa ilay Belge Thibaut Courtois milalao ao amin’ny Chelse Fc.

Voahosotra ho mpilalao tanora mendrika indrindran’ny Mondial 2018 ilay Frantsay Kylan Mbappé

Lasan’i Espagne kosa ny amboaran’ny Fair-play

I Belgique no nitana ny laharana fahatelo aorian’i France sy Croatie. 

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT