Sport

Mondial Russie 2018 Lavon’i Mexique ny andrarezina Allemand


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Nisehoan-javatra tsy nampoizina maromaro sahady teo amin’ny lalao Mondial 2018 tontosaina any Rosia ankehitriny na dia vao hiditra amin’ny faha-5 amin’ny fifaninanana aza anio talata 18 jona.

 

 Omaly alahady 17 jona, ohatra, dia lavon’i Mexique tamin’ny isa 1-0 ny andrarezina Allemand tompondaka farany, ary i Brésil « favori » kosa dia voatanan’i Suisse ady sahala. Afak’omaly sabotsy 16 jona indray dia tamin’ny alalan’ny « arbitrage vidéo » no nahazoan’i France penality ka nandreseny an’i Australie 2-1. Mbola tamin’io sabotsy io ihany koa no tsy nahafatesan’ilay kalaza Lionel Messi penality ka nirava sahala 1-1 i Argentine sy Islande.

Voka-dalao rehetra sabotsy sy alahady : 

France 2 – 1 Australie (C) ; Argentine 1 – 1 Islande (D) ; Pérou 0 – 1 Danemark (C) ; Croatie 2 – 0 Nigéria (D) ; Costa Rica 0 – 1 Serbie (E) ; Allemagne 0 – 1 Mexique (F) ; Brésil 1 – 1 Suisse (E).

Fandaharan-dalao anio alatsinainy 18 jona (ora Malagasy) :

15h00 : Suède - Corée du Sud, any Nijni Novgorod (F)

18h00 : Belgique - Panama, any Sotchi (G)

21h00 : Tunisie - Angleterre, any Volgograd (G)

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT