Mondial Russie 2018 Hanomboka anio sabotsy ny 1

8-ndalana


  • Sabotsy 30 Jona 2018

Hanomboka anio sabotsy 30 jona ireo 1/8-ndalan’ny Mondial 2018 tontosaina any Rosia.

 

Fandaharan-dalao anio sabotsy 30 jona :

17h00 : France # Argentine, any Kazan (H1)

21h00 : Uruguay – Portugal, any Sotchi (H2)

 

Fandaharan-dalao rahampitso alahady 1 jolay :

17h00 : Espagne – Russie, any Moscou (Loujniki) (H5)

21h00 : Croatie – Danemark, any Nijni Novgorod (H6)

 

Fa manana ny heviny mikasika ny ho tohin’ny fifaninanana ireo olona samihafa tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana :

 

Rakotonandrasana Gilbert na Bebert

 

Manaraka tsara ny Mondial 2018 ity filohan’ny seksion’ny rugby eto Antananarivo-Renivohitra, Rakotonandrasana Gilbert na i Bebert. “Ho ahy, hoy izy, dia somary nampikorontan-tsaina ahy kely ny nampihintsana an’ireo solontena Afrikana satria Afrikana aho. Tsy hoe nanohana fe manohana fotsiny  anefa fa nahita isika ireny ny fahaizan’i Sénégal nefa ireny no nataon’ny mpitsara taminy ka akory atao ! Hitako kosa anefa fa mihen-danja raha ny fijerena ny tanora no himasoana nefa fanomezana tombony ny mpijery tandrefana no atao. Nahomby kosa anefa ity Mondial Rosiana 2018 ity satria tsara karakara ka feno hatrany ny kianja isak’ireo lalao hatrehana. Hatreto aloha dia tsy miala amin’ny Espagne aho. Manatombo koa anefa amiko ny Frantsay fa tokony ho nantsoin’i Deschamps mpanazatra i Ribery niaraka tamin’i Mbappe. Tsy tokony tsy hanavakavahana mpilalao amiko ny fiarovana ny voninahi-pirenena fa tokony halain-tahaka ny nataon’i Italia niantso an’i Paolo Rossi tany am-ponja niatrika ny Mondial 1986”.

 


 

Rakotoarimanana Tôta Henintsoa

 

Ho an-dRakotoarimanana Tôta Henintsoa filohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga indray dia tsy misy azo ambaniany intsony ankehitriny ireo ekipa rehetra mandray anjara amin’ny Mondial fa efa tsy misy intsony tena favori miavaka izany. Na izany aza dia somary nandiso fanantenana ny rehetra ihany ny nampihintsana an’ireo solontenan’i Afrika niisa 5. Amiko, hoy izy, dia tsy ankasitrahako loatra ny VAR na “Arbitrage par Vidéo” satria tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny baolina kitra mihitsy ny fisiana fahadisoana samihafa ka mahatonga ho resy ny ekipa iray. Tombanako hikatroka any amin’ny lalao famaranana i Portugal sy Bresil.

 


 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT