Mondial La Marseillaise à pétanque 2025

Raraka ry Zigle, tafita amin’ny manasa-dàlana ry Tonnere


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Mandravarava any Marseille, amin’ny fifaninanana lehibe indrindra maneran-tany

amin’ny taranja tsipy kanetibe, ny solontena Malagasy mandray anjara amin’ny Mondial La Marseillaise à pétanque 2025. Tanterahina ao amin’ny Parc Borély sy manodidina io andiany faha-64 io, izay nanomboka ny 6 Jolay ary hifarana anio 9 Jolay 2025. Miisa roa ny ekipa Malagasy mandray anjara amin’ity hetsika goavana ity. Ny ekipa voalohany dia ahitana an’i Tiana Laurens Razanadrakoto (Tonnere), Yves Rakotoarisoa, ary Herifanambinana Lova. Naneho fahavononana sy fahaiza-milalao tanteraka izy ireo: 13-0 tamin’ny fizarana voalohany, 13-3 tamin’ny dingana faharoa, 13-6 tamin’ny fahatelo, ary nandresy tamin’ny ampahavalon-dalana. Tsy niato hatreo, fa mbola resin’izy ireo ny ekipa matanjaka avy any La Réunion (Begnis, Faure, Ndyae) tamin’ny isa 13-5, ka tafita amin’ny manasa-dalana. Ny ekipa faharoa, tarihin’i Riantsoa Rakotondrainibe (Zigle), Ny Aiko Urbain (Balloti), ary Tiana Sarobidy (Tianakely), dia nanomboka tsara ihany koa: 13-3 tamin’ny lalao voalohany, 13-4 tamin’ny faharoa, ary 13-3 tamin’ny fahatelo. Saingy tany amin’ny dingana faha-5 dia tratran’ny fanafintohina. Raha 13-3 no nandresen’izy ireo ekipa iray frantsay Vaucluse, dia notenenin’io ekipa io hoe: "Vakiako ny vavan’ialahy raha mbola manao carreaux foana." Vokatr’izany dia nametraka mpiambina manokana ny mpikarakara ho fiarovana ny solontena Malagasy. Tamin’ny dingana manaraka, niatrika ny ekipa Quintais-Suchaud-Jouffre, izay tompondaka farany, ny ekipan-dry Zigle, saingy raraka teo amin’ny ampahefa-dàlana. Nanao ny tsy nambinina satria lalao tena niady izany: 11-11 tany amin’ny mène faha-17, niakatra 12-11 ho an’ny Malagasy, saingy nandraraka antsika ny "carreaux" nataon’ny Frantsay tamin’ny boules farany antsika nahazo sy mbola nahafahany nampiditra iray, kanefa isika lany « boules », ka 13-12 no nisarahana. Na dia resin’ny tompondaka aza isika, dia tsy nitsanga-menatra ny ekipan’i Zigle. Ankehitriny, iray amin’ireo solontena Malagasy no tafita amin’ny manasa-dalana, dia ilay ekipan’i Tiana Laurens (Tonnere). Manantena ny rehetra fa hibata ny amboara ity ekipa mahery fo ity. Mampiseho hatrany ny Malagasy fa anisan’ny matanjaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny tsipy kanetibe, ary andrandraina hitondra amboara ho an’ny firenena amin’ity andiany faha-64 ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT