Mondial La Marseillaise à Pétanque 2025

Mpilalao afovoany tsara indrindra i Yves Rakotoarisoa


  • Zoma 11 Jolay 2025

Voafidy ho mpilalao afovoany tsara indrindra nandritra ny

Mondial La Marseillaise à Pétanque 2025» na ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe fanao atsy Frantsa, andiany faha 64 i Yves Rakotoarisoa, raha ny fampitam-baovao voaray omaly mikasika ity fifaninanana iraisam-pirenena nifarana ny alarobia teo ity. Vokatry ny fampisehoana avo lenta sy ny fahaiza-manaony ara-teknika, ara-taktika, ary ara-tsaina moa no voalaza fa nifidianan’ireo mpitsara ho mendrika hahazo ity amboara manokana ity. Fahombiazana vokatry ny ezaka iombonan’ireo mpilalao sy ny mpandrindra teknika na STAFF izany, izay nampihatra fanomanana hentitra sy fomba fiasa mahomby ka niteraka firaisankina mafy teo amin’ny delegasiona, hoy ny fanazavàna. Tsiahivina hatrany ihany koa fa ny ekipa malagasy no nahazo ny amboaran’ity fifaninanana iraisampirenena ity tamin’ity taona ity ary sambany no nisy firenena vahiny nandrobaka izany ankoatran’ny frantsay.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT