MONDIAL 2026

Mpandresy miisa 40


  • Zoma 31 Jolay 2026

notoloran’ny World Cola loka

Taorian’ny herinandro maro nanaovana fifaninanana sy hetsika manodidina ny Mondial taona 2026, dia namarana tamin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-keviny ny World Coma tamin’ny alalan’ny lanonana fanolorana loka ho an’ireo mpandresy. Omaly Alakamisy 30 Jolay no nanatanterahana izany teny amin’ny foiben’ny orinasa Star Andranomahery. Natomboka nandritra ny hetsika baolina kitra lehibe indrindra eran-tany ity fampielezan-kevitra ity, ka nahasarika mpanjifa maro tamin’ny alalan’ny lalao fifaninanana roa, dia ny “Pronostic Score” sy ny “Pronostic Champion”, izay natao tao amin’ny pejy Facebook World Cola Madagascar. Mpandresy maherin’ny 40 no nivory nandritra ny lanonana fanolorana loka, ka samy nisolo tena ireo dingana samihafa tamin’ny fifaninanana. Tamin’izany no nanoloran’ny Woco ny loka ho an’ireo mpandresy tamin’ny valo ampaha-dalana, ampahefa-dalana, manasa-dalana ary famaranana tamin’ny lalao Pronostic Score. Nisy ihany koa ny fanolorana valisoa ho an’ireo mpandresy tamin’ny lalao Pronostic Champion. Naneho fankasitrahana sy fisaorana an’ireo mpandray anjara rehetra ny tompon’andraikitra ny marika World Cola ary manome fotoana azy ireo indray mba handray anjara amin’ireo hetsika maro izay hokarakarainy amin’ny ho avy. Nisy tamin'izy ireo moa no nahazo moto, nisy ny nahazo zava-pisotro World Cola...
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny loka ho an'ireo mpandresy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT