Sport

Mondial 2018 Raraka i Alemana, tafakatra i Brezila


  • Alakamisy 28 Jona 2018

Votsotra teo am-pelatanan’ny Mannschaft Alemana ny amboara eran-tany azony 4 taona lasa izay satria resin’i Korea Atsimo 2-0 be izao ry zareo

 
omaly tao amin’ny kianjan’i Kazan teo amin’ny fifanintsanana farany ao amin’ny vondrona F misy azy. Resin’i Soeda 3-0 ihany koa i Meksika ka lasa laharana faha-2  ao amin’ity vondrona ity ary  hifandona amin’i Brezila izay nanamontsana an’i Serbia 2-0 ny alatsinainy 2 jolay ho avy izao.

 

Vokatry ny andro faha-14 omaly alarobia 27 jona 2018 :

Korea Atsimo 2 – 0 Alemana ; Meksika 0 – 3 Soeda ; Serbia 0 – 2 Brezila  ;  Soisa 2 - 2 Costa Rica

Fandaharan-dalao andro faha-15 anio alakamisy 28 jona :

17h00 : Japan # Polona, any Volgograd (H)

17h00 : Senegaly # Kolombia, any Samara (H)

21h00 : Anglisy # Belzika, any Kaliningrad  (G)

21h00 : Panama # Tonizia, any Saransk (G)

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT