Ratsy fanombohana avokoa ireo solontenan’i Afrika 2 voalohany ao amin’ny vondrona A sy B miatrika ny Mondial 2018 any Rosia.
Samy lavo teo amin’ny minitra faran’ny lalao tamin’ny moka fohy avokoa na i Egypte nihaona tamin’i Urugay tamin’ny baolina matin’i Giménez teo amin’ny minitra faha-90 (1-0), na i Maroc lavon’i Iran (1-0) ihany koa tamin’ny “Coup franc” nodakan’i Ehsan Hajsafi ka nampidirin’ilay vodilaharana Marokanina Bouhaddouz tamin’ny lohany ka nahavoafitaka ny mpiandry haratony, minitra faha-90 + 5 na dia nibodo ny tanin’ny Iranianina hatrany am-boalohany aza izy ireo. Teo amin’ny lalao fahatelo narahina omaly kosa fa lalao faharoan’ny vondrona B dia nirava ady sahala 3-3 i Portugal sy Espagne. Lalao niady dia niady tokoa ary nifampitady hatramin’ny farany ny roa tonta. I Cristiano Ronaldo milalao any Espagne no nampiditra ny baolina 3 ho an’i Portugal ka mahatonga azy ho mpampidi-baolina be indrindra any Rosia ankehitriny.
Voka-dalao omaly zoma 15 jona andro faha-2 :
Egypte 0 – 1 Uruguay ; Maroc 0 – 1 Iran ; Portugal 3 - 3 Espagne
Hiaka-tsehatra anio sabotsy 16 jona ry zareo amin’ny vondrona C sy D :
13:00-France # Australie (C) any kazan ; 16:00-Argentine # Islande (D) any Spartak Moscou ; 17:00-Pérou # Danemark (C) any Saransk ; 22 :00- Croatie # Nigéria (D) any Kaliningrad.
Rahampitso alahady 17 jona kosa ry zareo ao amin’ny vondrona E sy F :
14:00-Costa Rica – Serbie (E) any Samara ; 17:00-Allemagne # Mexique (F) any Loujniki Moscou ; 20:00-Brésil # Suisse (E) any Rostov sur le Don.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.