Sport

Mondial 2018 Narodan'i Croatie ny nofinofin'i Russie


  • Alatsinainy 09 Jolay 2018

Nahintsan'i Croatie tamin'ny "tirs au but" 4-3 tamin'ny lalao ampahefa-dalana farany notontosaina ny sabotsy alina teo i Russie mpampiantrano rehefa nisaraka ady sahala 2-2 ny roa tonta taorian'ny fanalavam-potoana.

I Rakitic no nampiditra ny baolina farany ho an'i Croatie ka nitondra azy any amin'ny manasa-dalana. Tsy nanjary izany ny nofinofin'i Russie hibata ny amboara eran-tany ao an-taniny na dia nanampy fatratra teo amin'ny fanohanana aza ny mpilalao faha-12 nentanin'ny mpanazatra Stanislav Tchertchessov. I Croatie izany no hifanandrina amin'i Angleterre any Moscou eo amin'ny manasa-dalana faharoa amin'ity Mondial 2018  ity  ny alarobia 11 jolay 2018 manomboka amin'ny 9 ora alina Malagasy. I Angleterre izay tsiahivina fa nandavo an'i Suède 2-0 tamin'ny 1/4-dalana faha-3 notontosaina ny sabotsy 7 jolay teo.

Ntsoavina Evariste


 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT