Sport

Mondial 2018 Montsan’i Croatie 3-0 i Argentine


  • Zoma 22 Jona 2018

Samy manana ny fijeriny eo amin’ny fanarahana ny Mondial tontosaina any Rosia ankehitriny ny sokajin’olona tsirairay avy. Roa amin’izany no taterintsika an-gazety anio.

 

Randrianasolo Hugues mpanakanto filohan’ny tarika The Spécialiste :

“Ny fijeriko amin’ny ankapobeny ny Mondial 2018 dia hita taratra ihany ny fisongadinan’ireo tarika efa malaza saingy ho diso fanantenana izy ireo satria manao ezaka be ireo mpifanandrina rehetra. Azoko ambara fa hitsimbadika ny tantara amin’ity Mondial ity efa nisy fivoarana be ny rehetra. Na izany aza, amin’ny maha aty Afrika ahy, dia mirary aho ny hahatongavan’i Sénégal any amin’ny dingan’ny 1/2-dalana mba ho fivelaran’i Afrika manontolo”.

 


 

Randrianantenaina Régis filohan’ny ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana : “Mikasika ny Mondial 2018 ny fahitako azy dia somary latsaka kely ny haavo teknikan’ny ekipa Afrikanina ka mifanalavitra be amin’ny an-dry zareo Eoropeanina sy Amerikanina Tatsimo. Nisy tandrevaka koa niseho tamin’ny fanendrena ireo mpitsara ny lalao satria amiko dia tsy tokony ho mpitsara Amerikanina no hitantana ny lalao ataon’ny ekipa Arabo. Aty Toliara dia tena liana amin’ny Mondial tokoa ny vahoaka fa manaporofo izany, ohatra, dia tena mahalana tokoa ny olona mandeha eny an’arabe manomboka amin’ny 3 ora fanombohan’ny Mondial isan’andro”.

 


 

Voka-dalao tamin’ny andro faha-8 omaly alakamisy 21 jona :

Tsy nampino ny maro fa montsan’i Croatie 3-0 i Argentine tarihan’i Messi.

Danemark 1 – 1 Australie ; France 1 – 0 Pérou ; Argentine 0 – 3 Croatie

Fandaharan-dalao anio zoma  22 jona andro faha-9 :

15h00 : Brésil - Costa Rica, any Saint-Petersbourg (D)

18h00 : Nigéria - Islande, any Volgograd (D)

21h00 : Serbie - Suisse, any Kaliningrad (E)

 

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT