Sport

Mondial 2018 Miala sasatra kely anio zoma ireo mpifaninana


  • Zoma 29 Jona 2018

Nisongadina omaly alakamisy 28 jona ny fihintsanan’ny solontena Afrikana farany dia i Sénégal izay lavon’i Colombie 1-0 tao amin’ny vondrona H teo amin’ny andro faha-15 farany amin’ny fifanintsanam-bondrona.

I Colombie sy Japon no tafakatra 1/8-ndalana ao amin’ity vondrona ity satria na dia nitovy azan y isa azon’i Sénégal sy Japon dia nihintsana noho ny fahazahoana karatra mena betsaka  (6) i Sénégala raha (4) monja no azon’i Japon. Tao amin’ny vonrdrona G kosa dia i Angleterre sy Belgique no efa tafakatra nialohan’ny fihaonana farany nataon’izy ireo tamin’io omaly io. Miala sasatra kely aloha anio zoma 29 jona ireo mpifaninana rehetra mbola tafita hanohy ny fifaninanana toa an’i Urugay sy Russie (GA),  Espagne sy Portugal (GB),  France sy Danemark  (C),  Croatie sy Argentine (GD), Brésil sy Suisse (GE), Suède sy Mexique (GF), Angleterre sy Belgique (GG), Colombie syJapon (GH), fa ny sabotsy 30 jona, alahady 01 sy alatsinainy 02 ary talata 03 jolay izy ireo no hiatrika ny 1/8-ndalana.

 

Voka-dalao andro faha-15  omaly alakamisy 28 jona :

Japon 0 – 1 Pologne   ;   Sénégal 0 – 1 Colombie   ;   Angleterre 0 – 1 Belgique ;  Panama 1 – 2 Tunisie

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT