Sport

Mondial 2018 Lavon’i Nigeria 2-0 i Islande


  • Sabotsy 23 Jona 2018

Nampiseho ny fahaizany milalao baolina kitra ny Breziliana tamin’ny fihaonany tamin’i Costa Rica (Vondrona E) na dia tsy nahita ny lalan’ny harato in-droa aza raha tsy tany amin’ny 90’+1 tamin’ny alalan’i

 

Coutinho sy teo amin’ny 90+7 tamin’ny alalan’i Neymar. Nampangain’ny VAR na « Arbitrage par vidéo » ity kintan’ny kitra Brezilianina ity tamin’ny sinema fianjerana niniana natao tao anaty « surface de réparation » ka niverina tamin’ny fanapahan-keviny tsy nanome ny « penalty » efa notondroiny ny mpitsara rehefa nahita ny sary.

Nibata fandresena ao amin’ny vondrona D misy azy kosa omaly ny Nizeriana raha naharesy an’i  Islande 2-0. Ho henjana, araka izany, ny fihaonan’i Nigeria sy Argentine amin’ny talata 26 jona izao.

Voka-dalao omaly : Nigeria – Islande (2-0)  ;  Brésil – Costa Rica (2-0)   ;  Serbie - Suisse  (1-2).

Lalao anio sabotsy andro faha-10 :
(15h00) Belgique - Tunisie, any Moscou (Spartak)
(18h00) Allemagne - Suède, any Sotchi
(21h00) Corée du Sud - Mexique, any Rostov-sur-le-Don

Rahampitso alahady andro faha-11 :
(15h00) Angleterre - Panama, any Nijni Novgorod
(18h00) Japon - Sénégal, any Ekaterinbourg
(21h00) Pologne - Colombie, à Kazan

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT