Sport

Mondial 2018 Hisy roa hangoron-damba indray anio


  • Zoma 06 Jolay 2018

Hanomboka anio zoma 06 jolay ireo lalao 1/4-dalan’ny Mondial 2018 tontosaina any Rosia ka amin’ny 17:00 : France- Uruguay, any Nijni Novgorod (Q1) ary amin’ny 21:00 : Brésil - Belgique, any Kazan (Q2)

 

Fa manana ny heviny mikasika ny ho tohin’ny fifaninanana ireo olona samihafa tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana :

 

Rakotonandrasana Gilbert na Bebert

 

Manaraka tsara ny Mondial 2018 ny filohan’ny seksion’ny rugby eto Antananarivo-Renivohitra, Rakotonandrasana Gilbert na i Bebert. “Ho ahy, hoy izy, dia somary nampikorontan-tsaina ahy kely ny nampihintsana an’ireo solontena Afrikanina satria Afrikanina aho. Tsy hoe nanohana fe manohana fotsiny  anefa fa nahita isika ireny ny fahaizan’i Sénégal nefa ireny no nataon’ny mpitsara taminy ka akory atao ! Hitako kosa anefa fa mihen-danja raha ny fijerena ny tanora no himasoana nefa fanomezana tombony ny mpijery tandrefana no atao. Nahomby kosa anefa ity Mondial Rosiana 2018 ity satria tsara karakara ka feno hatrany ny kianja isak’ireo lalao hatrehana. Hatreto rehefa nihintsana i Espagne nandrandraiko handrombaka ny amboara dia mirona any amin’ny Frantsay izay hitako fa nahomby ny safidiko na dia tokony ho nantsoin’i Deschamps mpanazatra aza i Ribery niara-niasa tamin’i Mbappe. Tsy tokony hanavakavahana mpilalao amiko ny fiarovana ny voninahi-pirenena fa tokony halain-tahaka ny nataon’i Italia niantso an’i Paolo Rossi tany am-ponja niatrika ny Mondial 1986”.

 
 Rakotoarimanana Tôta Henintsoa

 

Ho an-dRakotoarimanana Tôta Henintsoa filohan’ny ligin’ny baolina kitra eto Analamanga indray dia tsy misy azo ambaniana intsony ankehitriny ireo ekipa rehetra mandray anjara amin’ny Mondial fa efa tsy misy intsony tena favori miavaka izany. Somary nandiso fanantenana ny rehetra ihany ny nampihintsana an’ireo solontenan’i Afrika niisa 5. Amiko, hoy izy, dia tsy ankasitrahako loatra ny VAR na “Arbitrage par Vidéo” satria tafiditra ao anatin’ny kolontsain’ny baolina kitra mihitsy ny fisiana fahadisoana samihafa ka mahatonga ny faharesen’ny ekipa iray. Tombanako hikatroka any amin’ny lalao famaranana i Rosia sy Bresil rehefa nihintsana i Portugal nandrandraiko.


Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT