Sport

Mondial 2018 Hiatrika famaranana i Frantsa


  • Alarobia 11 Jolay 2018

I Frantsa no tafita voalohany hiatrika ny lalao famaranana amin’ny Mondial 2018 atao any Rosia rehefa nandresy an’i Belzika 1-0 tao amin’ny kianjan’i Saint-Petersbourg omaly talata 10 jolay alina. Baolina matin’i Umtiti teo amin’ny minitra faha-51.

Miandry an’izay handresy amin’i Angletera sy Kroasia hanao ny ankatoky ny famaranana faharoa hotontosaina any Loujniki Moscou anio alarobia alina manomboka amin’ny 21:00 Malagasy izany ny frantsay.

Marihina fa tamin’ireo lalao 74 nifandrinan’ny roa tonta hatramin’ny taona 1904-2018 dia in-30 nandresy ny Belza, in-25 kosa ny Frantsay ary in-19 nanao ady sahala ny roa tonta.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT