Sport

Mondial 2018 Hevitry ny mpitia fanatanjahantena Malagasy


  • Talata 12 Jona 2018

Nirilanto na i Dona Amin-dRandriantsoaniaina Nirilanto na i Dona filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’Imania ankehitriny dia i Allemagne sy i Brésil no hanao lalao famaranana na dia tsy ao amin’ny heriny loatra aza ity farany.

 

Raha ny fijeriko ny ekipa Soavietika mpampiantrano indray, hoy izy, izay fantatro tsara ny filalaony noho izaho nianatra tany amin’ity firenena ity dia tombanako tsy hihoatra ny lalao 1/4-dalana ry zareo. Mety hahavita zavatra tsara kosa  raha ny hevitro ny ekipa Egypsiana efa ela tsy nanao Mondial ary ny ekipa Anglisy. Raha ny any Amoron’Imania manokana dia efa vonona hanaraka an’ireo lalao Mondial 2018 rehetra ny mpitia baolina kitra any ary hoan’Ambositra manokana dia efa miomana hametra “Ecran Géant” ao Antampon’i Vinany hanarahana izany ny tompon’andraikitra.

 


 

 

 

Louis de Gonzague na i Mamonjy

 

Hoan-dRandriamamonjisoa Louis de Gonzague na i Mamonjy namana mpanao gazety Malagasy dia tsy maintsy hisy javatra hiavaka amin’ity Mondial 2018 ity amin’ny maha-mpanjaka ny fanatanjahantena azy. Singanina amin’izany ohatra ny fifanakalozana voafonja eo amin’ny Ukraniana sy ny Rosiana. Tsy maintsy hiova daholo ny fiainan’ny fiaraha-monina maneran-tany noho ny fisian’ity Mondial ity (manjary mody aloha ohatra ny mpody alina). Vinaniako ho anisan’ny ekipa 4 hifampitana farany i Espagne sy Brésil ary Allemagne sy Ekipa iray hafa tsy ampoizina.

 


         

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT