Sport

Mondial 2018 Famintinana ny herinandro nifaninanana


  • Alakamisy 21 Jona 2018

Herinandro katroka anio alakamisy 21 jona izay no nanombohan’ny Mondial 2018 tontosaina any Rosia. Lalao 20 izay no vita ary baolina niisa 45 no tafiditra tamin’izany ka ny 3 tamin’ireo dia penality azo tamin’ny VAR na ny « Arbitrage vidéo ».

 

 I Antoine Griezmann Frantsa no nampiditra izany voalohany tamin’i Roumania. Niisa 5 kosa ireo baolina nampidirin’ny mpilalao tsinahy tao anaty haratony ka ilay Maraokanina  Aziz Bouhaddouz no nampiditra voalohany  raha nihaona tamin’i Iran ny ekipany. Mbola ilay Paortigey Cristiano Ronaldo aloha hatreto no mpampidi-baolina be indrindra nahafaty baolina 4 ary ny baolina 1 dia vao matiny omaly alarobia 20 jona tamin’ny fihaonan’i Portugal tamin’i Maroc izay ekipa nampirina entana voalohany hody any an-tanindrazany taorian’io faharesena fanindroany azony omaly io. Ilay kalaza Argentin Lionnel Messi kosa no tsy nahafaty penality voalohany tamin’ity Mondial 2018 ity. Ny nahazo karatra mena voalohany tamin’ity Mondial 2018 ity kosa dia ilay Kolombianina Carlos Sanchez. Efa ho mpilalao 50 mahery kely kosa hatreto no nahazao karatra mavo. Ry zareo ao amin’ny Vondrona A sy B hatry ny omaly no efa samy nilalao fanindroany avy.

Voka-dalao tamin’ny andro faha-7 omaly alarobia 20 jona :

Portugal 1 - 0 Maroc   ;  Uruguay 1 – 0 Arabie Saoudite ; Iran 0 –1 Espagne

Fandaharan-dalao anio alakamisy  21 jona andro faha-8 :

15h00 : Danemark - Australie, any Samara (C)

18h00 : France - Pérou, any Ekaterinbourg (C)

21h00 : Argentine - Croatie, any Nijni Novgorod (D)

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT