Mondial 2018 – Dingan’ny 1

8 ndalana Hifandona i France sy Argentine


  • Alarobia 27 Jona 2018

Ny sabotsy 30 jolay ho avy izao no hiditra amin’ny lalao ampahavalon-dalana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra any Rosia ka hanokatra izany ny fihaonan’i Frantsa sy Argentine.

Ekipa sokajiana fa anisan’ireo lehibe maneran-tany kanefa tsy dia tena nandresy lahatra ny filalaon’izy ireo hatreto aloha na dia tafiakatra amin’ny dingana manaraka aza.Tsy nahavaky atody fa dia nionona tamin’ny 0-0 raha nifandona tamin’i Danemark omaly i Frantsa; efa nampitaintaina ireo mpomba azy ihany koa ry Messi sy ny tariny satria henjana ny fifandonana tamin’ny Black Eagles Nizeriana ka nandresy 2-1 ihany ry zareo Argentins , izay hita fa tena sempotra .Ny alahady 1 jolay kosa ao anatin’ny 1/8 ndalana hatrany no hifanandrinan’i Danemark sy Croatie ankilany ary Espagne sy Rosia andaniny.

Voka-dalao tamin’ny alatsinainy 25 sy talata 26 jona 2018 :

Arabie Saoudite 2 - 1 Egypte ; Uruguay 3 - 0 Russie ; Espagne 2 – 2 Maroc ; Iran 1 – 1 Portugal ; Danemark 0 – 0 France ; Australie 0 – 2 Pérou ; Nigéria 1 – 2 Argentine ;  Islande 1 – 2 Croatie.

Fandaharan-dalao andro faha-14 alarobia 27 jona

17h00 : Corée du Sud - Allemagne, any Kazan

17h00 : Mexique - Suède, any Ekaterinbourg

21h00 : Serbie - Brésil, any Moscou (Spartak)

21h00 : Suisse - Costa Rica, any Nijni Novgorod

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT