Sport

Mondial 2018 any Rosia Tsy tafita ny Squadra Azzura Italiana


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Raraka teo amin’nylalao « barrage » nihaonany tamin’i Suède ny ekipam-pirenena Italiana, ny Squadra Azzura (in-4 efa tompondaka eran-tany), ka tsy ho anisan’ireo tafita hiatrika ny« coupe du monde »hatao any Rosia amin’ny 2018.

 

0-1 tany  Suède ary 0-0 tany Italia ny alatsinainy teo no nisarahan’ny roa tonta tamin’io « barrage » io. Sambany izany tsy hisy Italiana any amin’ny Mondial nandritra izay 60 taona lasa izay.An-dranomaso no niatrehan’ny mpiandry harato Italiana, Gianluigi Buffon Azzurra (39 taona, 175 sélections ary tompondaka eran-tany Allemagne tamin’ny taona 2006) an’ity faharesena ity. Izy izay nanambara ofisialy ny hijanonany tsy hilalao intsony ao amin’ny ekipam-pirenena Italiana nanomboka tamin’io alatsinainy 13 novambra  2017 io.

Efa fantatra avokoa izao ireo firenena rehetra handray anjara amin’io Mondial 2018 any Rosia io : Ao Russie mpampiantrano, Allemagne, France,Angleterre,Belgique,Croatie, Danemark,Espagne,Islande, Pologne, Portugal, Serbie, Suède, Suisse, Argentine, Brésil, Colombie, Uruguay, Egypte, Maroc, Nigeria, Sénégal, Tunisie, Australie, Arabie Saoudite, Iran, Japon, Republique de Corée, Costa-Rica, Mexique, Panama, Nouvelle-Zélande na Pérou.

Ntsoavina Evariste

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT