Sport

Mondial 2018 -Ampahavalon-dalana I Suède sy Angleterre no tafita farany omaly


  • Alarobia 04 Jolay 2018

I Suède sy Angleterre nandresy avy an’i Suisse 1-0 sy Colombie 4-3 taorian’ny “tirs au but” no tafita farany hiatrika ny 1/4-dalan’ny Mondial Russie 2018 ka hifandona any Samara ny sabotsy 7 jolay ho avy izao manomboka amin’ny 5 ora tolakandro

. ora Malagasy harahin’ny lalaon’i Russie sy Croatie amin’ny 9ora alina mbola ora Malagasy ihany koa. Lalao anisan’ny nisian’ny fifandonana naherihery indrindra tamin’ny 1/8-ndalana ity fihaonan’i Angleterre sy Colombie ity, indrindra tamin’ny fidirana faha-2 sy fanalavam-potoana nivoahan’ny karatra mavon’ny mpitsara im-pito be izao. Marihana fa i France sy Uruguay no hanokatra ny 1/4-dalana ny zoma 6 jolay amin’ny 5ora hariva any Nijni Novgorod arahan’ny lalaon’i Brésil sy Belgique any Kazan amin’ny 9ora alina.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT