Mondial 2018 1

8-ndalana Resy avokoa ireo andrarezina


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Manao tohivakana ny faharesen’ireo ekipa andrarezina any amin’ny Mondial Russie 2018 fa taorian’ny tsy nahatafita an’i Allemagne tamin’ny dingan’ny 1/8-ndalana dia raraka teo amin’io dingana io i Argentine notarihan’i Lionnel Messi izay resin’i Frantsa 4-3 tamin’ny sabotsy 30 jona teo.

 

 Nanaraka azy koa i Portugal notarihan’i Cristiano Ronaldo lavon’i Uruguay 2-1. I France sy Uruguay no hikatroka eo amin’ny ¼-dalana any Nijni Novgorod ny zoma 6 jolay. Raha niandrandra an’i Espagne koa ny ankamaroan’ny naka ireo andrarezina lavo ireo dia nanara-dia azy 2 ihany koa ity ekipa notarihan’i Sergio Ramos ity fa lavon’i Russie tamin’ny tirs au but 4-3 omaly alahady. I Croatie nandresy an’i Danemark tamin’ny tirs au but 3-2 no hikatroka amin’i Russie eo amin’ny 1/4-dalana amin’ny sabotsy 7 jolay izao any Sotchi.

Fandaharan-dalao 1/8-ndalana anio alatsinainy 2 jolay :

17h00 : Brésil – Mexique, any Samara (H3)

21h00 : Belgique – Japon, any Rostov-sur-le-Don (H4)

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT