Sport

Mondial 2014 Mitombo ny filana herinaratra


  • Alatsinainy 19 Mey 2014

Mihazakazaka any amin’ny fividianana “panneau solaire” na ilay karazana fitaovana hahazoana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro ny ankamaroan’ireo olona tsy mbola manana izany eto amintsika.

 Noho ny fisian’ny “Mondial 2014” hatao any Brezila  no manosika azy ireo. Betsaka rahateo ireo orinasa efa miketrika azy ity mba hahazoany vola entiny hanasoavana ny mpiarabelona ihany koa. Misy no sady afaka mamatsy jiro no mamatsy rano ihany koa raha mbola hafa koa ireo afaka mamahana finday sy jiro tsotra ho an’ny eny ambanivohitra. Ho an’ny teny amin’ny foara iraisam-perenena manokana izay nifarana omaly dia maro ireo orinasa no nampiranty ny vokany. Anisan’ny nohadihadian’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina manokana ny “Société Fournisseur d’Energies Renouvelable’’ mamatsy herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Nambaran’ny filoham-pirenena tamin’izany fa matoky ny sehatra tsy miankina tahaka itony izy mba hampihodina indray ny toekarena Malagasy. Nampirisihany ny mpandraharaha Malagasy mba hanao zavatra tsara sy mahazaka ny fifaninanana eran-tany tahaka izao ho tombontsoan’ny besinimaro. Tsara ny mampahatsiahy fa ny resaka ‘’croissance verte’’ no tena nampiavaka iny FIM andiany faha-IV iny ary ny hoe “ny vita Malagasy misokatra eo amin’izao tontolo izao’’ no teny filamatra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT