Miverina amin’ny heriny i Njiva

Namono baolina indray


  • Alatsinainy 25 Aogositra 2025

Nofy ratsy sisa ny ratra am-bolana nahazo an’i Njiva Martin Rakotoharimalala,

fantatry ry zareo thailandey amin’ny hoe Njiva Martin, satria dia azo lazaina ho miverina amin’ny heriny tanteraka ankehitriny ity lohalaharana malagasy eo amin’ny taranja baolina kitra, izay milalao ao amin’ny Ratchaburu FC, divizionina voalohany ao Thailande ity amin’izao faha 33 taonany izao. Namono baolina indray izy ny sabotsy teo nanoloana ny Chonburi ary nanome fandresena an-tanin’olona ny ekipany tamin’ny isa 0 noho 1. Tafiditra ao anatin’ny fifaninanam-pirenena ao an-toerana ny lalao na ny Thai premier league. Mirefy 1,80 metatra ary milanja 66 kilao moa ny lehilahy ary malaza ao an-toerana mihitsy ny laharana faha 89 izay entiny, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT