Sport

Misaotra BAREA Mahay ny Malagasy


  • Zoma 12 Jolay 2019

Matoa tonga tamin’ireny dingana ireny, dia isan’ny mahay indrindra aty Afrika, afaka nandavo ireo firenena sokajiana fa sangany amin’ny baolina kitra. Nampiseho fa tena manana teknisianina sy mpilalao matihanina ny Malagasy.

 

 

 

 Santatra am-bavarano ihany iny, fa ny manetsabe mbola ho avy satria efa tena misoratra eo amin’ny tantara isika, ary isan’ny goavana aty Afrika. Efa afaka misaina sy manomana ny ho avy sahady mba ho lasa lavitra hatrany, toy ny ady hiakarana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany. Miakatra ny hambo-po sy ny finiavana avy aty amin’ireo taninketsa taorian’ireny dingana lehibe ireny. Manomboka miroborobo ny fananganana sekolin’ny baolina kitra. Efa manomboka tsara tohana na lafiny fotodrafitrasa, fitaovana, vola,… tsy mitovy tamin’ny niainan-dry Faneva Ima, Bolida, Carolus… izay tena nisedra sy nandalo fotoan-tsarotra tokoa fahiny. Nanova zavatra maro ny Barea niatrika iny fiadiana iny amboaran’i Afrika. Lasa nampiombona sy nampiray ny Malagasy. Nisy ny olona tsy nifampiteny efa an-taonany maro kanefa lasa nifamela rehefa tafiaraka nijery baolina. Na tsy mitovy firehana politika aza nifanaja sy niara-nifety. Na nisy aza ny fisotrosotroana, tsy nisy niady. Tsy nila fampitandremana be fa dia nahay nilamina sy nifandamina ny olona. Tsy tongatonga ho azy ity hetsika “Alefa Barea” ity fa efa tendrin’Andriamanitra, hoy ny maro. Nialoha izao CAN izao mantsy, navesatra ny rivotra niainana teto Madagasikara : adilahy politika, fakana an-keriny, vono olona, fifanandrinana, fifampiandaniana, fifanenjehana, fifanasoketana, teny mahery tsy voahevitra na an-dalambe io, na any anaty fety na any am-piasana na eny amin’ny tambajotran-tserasera. Ny taona 1991, 2002, 2009 no nisy fifandirana politika ary nivadika ho gidragidra nahafatesana Malagasy efa an’arivony teto. Tsy nety nahavita fampihavanam-pirenena i Madagasikara. Natsangana daholo izao karazana rafitra rehetra izao, ireo Raiamandreny am-panahy aza lasa tsy to teny intsony. Nitombo ny fifanavakavahana, nitombo tahaka izany ny fahantrana satria tsy nisy ny fiaraha-mientana, hany ka nandringa ny asa fampandrosoana. Voaporofo anefa izao, fa azo eritreretina tsara ny hampandroso an’i Madagasikara ao anatin’ny firaisankina sy ny fifandeferana ary mitandro hatrany ny hambom-pom-pirenena. Kihon-dalana ho an’ny tantara izao ka tsy tokony havela handalo fotsiny!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT