Sport

Misaona ny Judo Malagasy Nodimandry ny Maitre Jean Andriamasy


  • Talata 20 Oktobra 2020

Nodimandry omaly tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka fahefany tolakandro teo amin’ny faha 87 taonany ny andrarezin’ny Judo Malagasy, ny Maitra Jean Andriamasy.

 

Ny klioban’ny AS Saint Michel moa no azo lazaina ho tena nandaniany ny fahavelomany ary raha ny nambaran’ireo mpianany dia tena ray sy raibe ary namana izy ankoatry ny maha mpampianatra ho azy ireo. Efa tompondakan’i Madagasikara in-3 teo anelanelan’ny taona 1960 – 1970. Ny taona 1967 izy no nahazo ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara ho an’ny sokajy rehetra. Isan’ireo olona 3 teo anivon’ity taranja ity izay nasandratry ny federasionina malagasin’ny Judo ho 6e dan ny tenany ny taona 2019. Nahavita be teo anivon’izany federasionina izany rahateo moa ny tenany satria nandritry ny 18 taonany no nisahanany ny andraikitra maha sekretera jeneraly tao ny taona 1078 – 1996. Mankahery sy mirary fiononana feno ny akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.

 

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT