Misaona ny baolina kitra malagasy

Nodimandry i Derick


  • Alakamisy 05 Jona 2025

Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Fantatra omaly,

raha ny fampitàm-baovao avy amin’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, fa nodimandry i Razafindrabe Frederick, fantatry ny maro amin’ny hoe Derick. Mpilalao tao amin’i COSTM Tulear izy ary nitàna ny toeran’ny lohalaharana na mpanafika. Efa nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy nandritry ny CHAN 2018, izany hoe ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika. Efa nandray anjara niaro ny voninahitr'i Madagasikara tamin’ny COSAFA Cup ihany koa. Izy ihany koa no «Meilleur butteur» na mpampidi-baolina be indrindra nandritry ny fifaninanana Telma coupe de Madagascar 2020. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT