Sport

Mirado Rakotoharimalala “Tadidio fa bonus ihany ny baolina kitra”


  • Talata 03 Mey 2022

Afaka 1 volana katroka, izany hoe ny 30 may 2022, dia hiditra amin'ny “fenêtre FIFA” isika, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala, ny sabotsy teo,

ka hiroso amin'ny fifampivondronana ny mpilalao. Somary lava tsy toy ny mahazatra io “fenêtre FIFA” io, hoy izy, ary heverina fa mety hisy ny fotoana hahafahana manao lalaom-pirahalahiana iray. Ny ankamaroan'ny ekipa afrikanina hilalao ny “Mondial Qatar 2022” dia mitady fotoana sy mpifanandrina hanaovana lalaom-pirahalahiana ankoatry ny lalao miisa 2 amin'ny fifanintsanana CAN 2023. Manana ny tompon’andraikitra isika afaka mijery akaiky izay teboka izay raha toa ka ilaina moa, mazava ho azy, izany lalao fanomanana mialoha izany. Fa mandra-piandry izany rehetra izany dia aleo aloha samy hiatrika ny fiainany, ny andraikiny ary ny adidiny avy. Tadidio fa ny baolina kitra dia “bonus” ihany fa ny tena fiainana dia mila atrehina hatrany, hoy hatrany ny tenany, hita ho toa kivy ambony ihany sady nanome ny fantsiny tamin’ny sarinteny isan-karazany i Mirado.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT