Sport

Mirado Rakotoharimalala Nanome lesona an’I Nicolas Dupuis…


  • Alarobia 08 Martsa 2023

Sarotra amiko moa ny hanome lesona mpanazatra matihanina na "professionnel", hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,

fa ho anareo izay mazoto handeha lavidavitra kokoa amin'ny tontolon'ny mpanazatra ka mety haniry hitondra ekipa nasionaly any aoriana any dia mba misy sosokevitra vitsivitsy ireto arosoko. Hajao ny mpilalaonao, hoy izy. Rehefa miteny izy hoe tsy hilalao amin’ny ekipam-pirenena intsony noho ny antony samihafa dia aza antsoina intsony izy. Tsy hoe namandrika nanampoka mpilalao tany aloha ianao ka nety ilay izy dia tsy maintsy hety foana aty aoriana. Hajao ny mpilalaonao. Raha tsy misy sivana na tombana mazava manelanelana “préselection” na fifantenana mialoha sy fifantenana farany na “sélection finale” dia aza asiana “présélection” izany. Lasa kitanitany na "ridicule" ilay izy. Meteza amin'ny toeran'ny mpilalao nampidirina “présélection” dia avy eo tsy tafiditra tampoka nefa tsy nojerena tanaty fampivondronana akory izy ka ahafahana manao tombana hoe ho tafiditra anaty vondrona farany sa tsia? Asio fahamatorana ny lisitra. Ataovy feno tsara dia manala tsikelikely raha ilaina fa tsy hoe ampiana tampoka fa tsy lojika loatra ilay hoe mpiandry harato miisa 2 fotsiny no teo amin'ny lisitra voalohany dia nampiana iray vonjimaika taty aoriana. Aza mandainga sy manao fanerena. Mila resaka sy fandrindrana ny zava-drehetra. Tsarovy fa manana ny fandaharam-potoanany ny hafa, ka ilaina ny fampiresahana amin'ny klioba hoe hampivondrona mialohan'ny daty FIFA vao lazaina amin'ny Facebook-nao rehefa hita tokoa ny fifanarahana. Ianao mantsy tsy tomponandraikitra amin'ny fahavitana na tsy fahavitan'ny fifaninanana iray ka hoe izay tianao no atao. Aza mandainga ary manàna fo madio. Rehefa miarahaba ny zava-bitan'ny mpanazatra hafa ianao dia ataovy amin'ny fo tokoa fa tsy hoe any ambadika any tezitra sy malahelo mafy. Tsarovy fa kely dia kely ny tontolon'ny baolina kitra malagasy hany ka fantatra daholo ny zava-mitranga. Aza mandainga ary manàna fanetren-tena. Tsy hoe mahomby ny mpanazatra sasany dia iny ianao misisika fa noho ianao no nahatonga ny fahombiazana satria ianao no mpanazatra sangany indrindra eto an-tany,… Na tsy nilaza mivantana aza moa ity mpamakafaka ity dia tsikaritra fa miantefa mivantana amin’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea ankehitriny, Nicolas Dupuis, ity lesona nomeny ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT