Sport

Minisitra Tinoka Roberto Raharam-pirenena ny CAN 2019 hatrehan’ny Barea


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Tao anatin’ny tatitry ny dia nalehany tany Egypte nihaona tamin’ny filohan’ny CAF tamin’ny zoma 01 martsa lasa teo tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly talata 12 martsa no nilazan’ny

 

 

 

minisitry ny fanatanjahantena Malagasy fa raharaham-pirenena ny handraisan’ny Barea anjara voalohany amin’ny lalao baolina kitra CAN 2019 ka tsy maintsy atao mangarahara ny resaka mikasika azy.  Nambaran’Atoa Ahamad, hoy izy;  fa afaka  ny hanampy ny Barea amin’ny lafiny rehetra ny CAF nefa mila atao haingana ny fifidianana filoha vaovao hitantana ny FMF hahazoana ny famatsiam-bola rehetra. Na izany aza dia efa homen’Atoa Ahmad sy ny CAF mialoha ny vola  200.000 dolara “Quote-part”-ny Barea hoenti-miatrika ny fanomanana rehetra. Amin’ny maha-raiamandreny mpiahy ny spaoro Malagasy ny Minjs tarihako, hoy ny ministra Tinoko Roberto, dia ny datin’ny 12 mey no fantatray fa fe-potoana farany hitantanan’ny “Comité de normalisation” ny kitra Malagasy ka miangavy azy ireo mba hanafaingana ny asany. Nolazain’ny ministra koa fa  efa milamina ny fandaharam-potoana fanoman-tenan’ny Barea hanomboka amin’ny 31 mey any Frantsa ka hisy lalaom-piralahiana 2 : Barea # Luxembourg ; Barea # Kenya. Ny 07 jona 2019 dia hitodi-doha an-tanindrazana ny Barea hangataka tso-drano amin'ny Atoa Filoham-pirenena. Ny 11 jona hihazo an'i Maroc ny Barea hanohy ny fiofanana hatolotry ny filohan'ny CAF. Ny mikasika an'i Dax dia tena ilaina io mpilalao io, hoy ny minisitra, ka efa voaresaka ny Fosa Junior fa mbola hiresaka amin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis izahay. Ny amin’ny fahazoana ny sary avy any Egypte dia tia fanatanjahantena ny filoham-pirenentsika ka tsy ho sarotiny amin’izany fa anjaran’ny haino aman-jerim-panjakana no mangataka an’izany.  Tsy mitsabaka amin’ny asan’ny sasany akory ny Minjs, hoy izy, fa amin’ny maha-mpitia fanatanjahantena azy dia saro-piaro amin’ny fahombiazany izy.

Ntsoavina Evariste

 

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT